VAOVAO TAMBATRA

Mitentina 115 tapitrisa Ar ny anjaran’ny fanjakana malagasy, hampiasaina ho an’ny enim-bolana faharoa ho an’ny taona 2023, ao anatin’ny PIAA2. Fandaharanasa hitantanana ny fako eto Antanana­rivo io, iarahana amin’ny Vondrona eoropeanina (UE) sy ny Antokon-draharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD).

Nandray anjara tamin’ny fivorian’ireo firenena mpikambana ao anatin’ny Brics sy i Afrika i Mada­gasikara. Natao ny 24 aogositra teo tany Afrika Atsimo ity fivoriana “Brics-Africa Outrench” ity. Loha­hevitra noraisina ny hoe Brics sy Afrika, fiaraha-miombon’antoka hisian’ny fitomboan-karena haingana iombonana.

Hisokatra ny birao tokana (guichet unique) ho an’ny volamena sy ny vatosoa sarobidy. Nahatonga ny fanokafana ity birao tokana ity, ny fahafahana manondrana volamena any ivelany sy ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany farany teo. Ho hita ao daholo ny minisitera sy ny sampandraharaham-panjakana mahakasika ity sehatra ity.

Voatendry ny mpikambana mandrafitra ny filankevi-pitantanan’ny Ofisim-pirenena, Omnis. Miisa dimy izy ireo, ahitana solontena avy amin’ny fiadidiana ny Repoblika, ny primatiora, ny minisitera miahy ny sehatry ny Solika, ny Toekarena sy ny fitan­tanam-bola ary ny avy amin’ny mpiasan’ny Omnis.

Partager sur: