Laharana voalohany vonjimaika : medaly volamena 11, volafotsy 14 ary alimo 14 ny azon’ny Malagasy

Mampiseho ny tanjany hatramin’izao ny atleta mala­gasy, miatrika ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11. Mitana ny laharana voalohany vonjimaika i Mada­ga­sikara, izay manana medaly 70.

Hiditra amin’ny andro faha-5 anio, ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11, tanterahina eto Madagasikara. Tsara ny vokatra ho an’ny Malagasy hatramin’izao, amin’ny ankapobeny. Medaly 70 be izao no efa eo an-
tanana, ahitana medaly volamena 42, medaly volafotsy 14 ary alimo 14. Ny taranja fibatana fonjamby no nandrombaka medaly betsaka indrindra, izay ahitana volamena 25, volafotsy 5 ary alimo 3. Randafiarison Rosina (-45kg) no nanokatra ny medaly, izay nahazo volamena 3 (75 kg Arraché, 90 kg Epaulé jeté, 165kg Total olympique).
« Record » ny ranomasimbe Indiana ny 90 kg voabatany teo amin’ny « épaulé jeté ». Nahazo volamena, torak’izany, koa i Lalaina Sabrinah teo amin’ny -49 kg (73 kg Arraché, 89 kg Epaulé jeté 162 kg total olympique).

Nitohy ny sabotsy hariva ny fahombiazana, ka nibata ny medaly volamena 3 avy ihany koa Andriatsitohaina Eric (107 kg Arraché, 145 kg Epaulé jeté, 252 kg total Olym­pique) sy Elariont Ricardo -55 kg (102 KG Arraché, 135 kg Epaulé jeté, 237 total Olympique). Nahazo medaly volafotsy 2 sy alimo iray kosa i Tiavina Fabia (45 kg) ary medaly volafotsy iray sy alimo 2 ho an’i Fitiavantsoa (-55 kg). Omaly alahady kosa, nandrom­baka medaly 12 indray i Madagasikara, tamin’ny alalan’i Sarikaniaina sy i Angeline Sarah izay samy nahazo « record» ary Andriatsitohaina Tojonirina, nahavita nibata 183 kg « épaulé jeté » sy Andriamahefa Jules Anthonio. Nahazo medaly volamena iray,volafotsy 1 ary alimo iray i Vania ary alimo roa i Sitraka.
Lomano

Teo amin’ny taranja lomano, medaly volamena roa tamin’ny alalan-dRaharvel Jonathan no azon’ny Malagasy, teo amin’ny sokajy 50 m brasse sy 100 m brasse. Nahazo medaly alimo kosa i Holy Antsa (50 m pap) sy i Finaritra (100m brasse) ary medaly volafotsy ho an’i Fanovosoa (Paralympique).

Anisan’ny nandrombaka maro koa ny taekwondo izay nahazo medaly volamena 11, volafotsy 4 ary alimo 1. Judo Medaly volamena tokana azon-dRasoanaivo Laura (-70 kg no azon’ny Malagasy teo amin’ny taranja Judo, omaly. Izany hoe, 4 hatramin’izao ny volamena, 6 volafotsy ary
8 ny alimo ho an’ny taranja Judo, raha natambatra tamin’ ny medaly azo ny sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano. Anisan’ny nanome medaly vola­mena iray ho an’i Madagasikara ihany koa omaly, ny taranja tenisy ambony latabatra, teo amin’ny fifaninanana isan-tarika, sokajy lehilahy.

Partager sur: