Baolina kitra : tafita amin’ny manasa-dalana ny Barea

Nahazo ny tapakila hiakarana amin’ny dingana manaraka ny Barea de Madagascar. Nisaraka ady sahala 1 no ho 1 tamin’ny Nosy Maurice, teo amin’ny andro faharoa ho an’ny vondrona «A». Mitarika vonjy maika ny Malagasy, manana isa 4.

Hiatrika ny lalao manasa-dalana, amin’ny taranja baolina kitra ny Barea de Madagascar. Nisaraka ady sahala 1 no ho 1 tamin’ny Club M Mau­rice, ny sabotsy 26 ao­go­sitra lasa teo, teny amin’ny kianja Barea Mahamasina. Raha hi­verenana ny lalao, nifandanja ny fanafihana saingy nanantombo teo amin’ny fitazomam-baolina ny Malagasy. Nano­katra ny isa, ny Barea, tamin’ny alalan’i Tsiry, teo amin’ny minitra faha-4, taorian’ny tolotra nataon’i Tendry, tany amin’ny sisiny ha­vanan’ny kianja. Mi­nitra faha-27, niezaka nanenjika ny isa ny maorisianina taorian’ io, saingy nidona tamin’ny tsivalamby ny dakan’ny lohalaharany. Ratsy ihany koa ny famaranana ho an’ny Barea, ka tsy nety nahafaty baolina intsony ry zalahy.
Fizaram-potoana faharoa, nanova mpilalao ny Barea. Niditra i Toky sy i El Hadary ary i Tantely. Betsaka ireo baolina tokony ho faty saingy diso nikoropaka loatra ry zalahy, teo amin’ny famaranana. Minitra faha-73, nosahalain’ny Club M ny isa rehefa nahafaty baolina i Aurelien. Taorian’io, tsy nisy intsony ny baolina maty teo amin’ny roa tonta fa nisaraka tamin’io isa mitovy 1 sy 1, io.

Hoy izy ireo

-Rakotondrabe Romuald (Mpanazatra Barea) : Tsara ny lalao, saingy hita ho tsy voafehin’ny mpitsara ihany izany. Ny zava-dehibe, efa tafita hiatrika ny manasa-dalana isika ary manana fotoana tsara hanomanana izany.
-Rasoanaivo Fidy (Mpanazatra Club M) : Miarahaba ny mpilalaoko aho. Tsara ho anay ny vokatra na dia efa niezaka ny
handresy ny Barea aza izahay. Hiezaka ny handavo an’i Seychelles amin’ny lalao manaraka.

Partager sur: