Tsy nitsanga-menatra ny taranja tenisy ambony latabatra. Anisan’ireo, nandrombaka medaly volamena ihany koa ry zareo, tamin’ny alalan’ny ekipa isan-tarika, lehilahy, nahitana an’i Nativel sy i Zo ary i Luciano. Fihaonana, notanterahina omaly alahady, teny amin’ny kianja mitafon’ny Zone Forello Tanjombato. Resin’i Madagasikara, tamin’ny isa 3 no ho 2 i Maldives nandritra ny famaranana.
Niady ny fihaonana, nifandimbiasana ny nahazo ny lalao. Lasan’i Maldives, ny lalao voalohany avy eo nosahalain’ny Malagasy. Norombahin’i Madagasikara indray ny lalao fahatelo saingy tratran-dry zareo Maldives ka sahala 2 no ho 2. Niditra teo amin’ny lalao fahadimy ka nisongadina ny fahaiza-manaon’i Nativel, nanoloana an’i Mohamed Shaffan Ismail, rehefa nandresy tamin’ny seta 3 no ho 1.
Nahazo ny medaly volamena teo amin’ny vehivavy, i Maldives rehefa nandresy an’i Maurice, tamin’ny isa 3 no ho 1.