Fitavozavozan’ny fikarakarana dosie. : handraisan’ny HCC fepetra ireo sampandraharaham-panjakana

Hentitra ny fampitandreman’ny filohan’ny HCC, Rako­toarisoa Florent, omaly, teny Ambohidahy, manoloana ny fitarainan’ireo kandidà. « Ho­raisina ny fepetra sy ny andraikitra amin’ireo sampandraharaham-panjakana mandray sy mikarakara ireo antontan-taratasin’ireo kandidà kanefa mitavozavoza », hoy izy. Anisan’ny notanisainy tamin’izany ny eo anivon’ny fandoavan-ketra (211 bis), ny tahirimbolam-panjakana amin’ny fandraisana ny anto-bolan’ireo kandidà (Tresor), ny fitsarana amin’ny fanomezana ny « Casier judiciaire », ny fokontany manome ny fanamarinam-ponenana.
Nahitsy ny filohan’ity An­drim­panjakana ity nilaza fa tsy tokony hamezivezy ireo kan­didà ireny tomponandraikitra ireny. Efa mazava ny voalazan’ ny lalàna amin’ireo dosie haro­tsaky ny kandidà, araka ny nam­barany. « Tsy handefitra ny HCC raha ahitana porofo ny familafilana kandidà ka mety hite­raka korontana », hoy ihany izy.
Etsy andaniny, notebahiny ny kandidà iray nanambara ny vinany sy ny programanasany teny Ambohidahy, afakomaly. « Tsy toerana fanaovana izany ampahibemaso ety amin’ny HCC. Tsy tokony hiresaka po­litika sy hametraka tsy fahatokisana koa fa efa mazava ny tetiandron’ny governemanta amin’ny fifidianana ary nankatoavinay », hoy izy.
Ankoatra izany, nambarany fa miankina amin’ny mpitsara ny fankatoavana ny taratasy manamarina ny fizakana ny zom-pirenena malagasy ary tokony hifanaraka ny amin’ny “Code de nationnalité” malagasy izany.

Synèse R.

Partager sur: