Volana iray, Mpanoratra iray. Tanterahina anio, ao amin’ny efitrano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy, ny fampiratina fampahafantarana ny mpanoratra Nirhy-Lanto. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha 100 taona nahaterahan’ity mpanoratra ity sy ny hetsika fampiroborobona ny asa soratra sy ny mpanoratra malagasy izao ranty izao.
Fondation H. Tolotra maro no atolotry ny Fondation H, ho an’ireo mpankafy sy mpiangaly haikanto. Anisan’izany ny “Atelier Hay” ho an’ny Ankizy, ny “Les Samedis de la Fondation H”… Fampianarana sy atrikasa ary fihaonana amina mpahay kanto no atao ao anatin’ireo hetsika ireo. Misokatra ho an’ny rehetra ary maimaim-poana ny hetsika.
Ny maha vazaha ny vazaha. Tontosaina anio, eny amin’ny CGM Analakely ny velakevitra sy takalo ara-kolontsaina, iarahana amin’ny Lukas sy ny namany, teratany Alemana. Ankoatran’ny fifanakalozana ara-kolontsaina. Hisy ihany koa filazan’izy ireo ny fomba fijeriny antsika sy ny toe-tsaina mila hivononana raha iara-hiasa amin’izy ireo
Kabary&Kilalao Malagasy. Mitohy anio, eraky ny boriborintany enina eto Antananarivo, ny fampianarana Kabary sy Kilalao Malagasy, ho an’ny ankizy 6 hatramin’ny 15 taona. Ny CUA, amin’ny alalan’ny DACVC, sy ny fikambanana Manda Mpikabary no mikarakara ny hetsika. Tanjona ny fampiroborobona ny kolontsaina sy fanao malagasy.