Namoaka filazana ny oniversiten’i Fianarantsoa fa hitsahatra ao anatin’ny 15 andro ny fampianarana, mba hahafahan’ireo tanora mihanoka ny lalaon’ny Nosy sy mandray anjara amin’izany am-pilaminana eto Antananarivo. Nanomboka ny 25 aogositra teo io fiatoan’ny fampianarana vonjimaika io.
Maimaimpoana ny fanaovana « échographie obstétricale » ho an’ireo renim-pianakaviana mitondra vohoka, ao amin’ny INSPC Mahamasina. Nanomboka ny alatsinainy teo hatramin’ny rahampitso izany. Tafiditra hatrany ao anatin’ny fahasalamana manakaiky vahoaka ny hetsika fizaham-pahasalamana maimaimpoana toa izao.
« Na inona na inona sokajy sy sehatra misy anao dia afaka mandray anjara feno amin’ilay fandaharanasa Yali », hoy i Holiniana Rakotoarisoa, filoha mpanorina sady mpitantana ny ONG Merci. Tsy nataony sakana ny fananany fahasembanana eo amin’ny fahitana. Voafantina nisitraka ny vatsim-pianarana tamin’ny taona 2016 ny tenany.
Manomboka ny volana aogositra hatramin’ny avrily ny fotoana mampirongatra ny valanaretina pesta. Anisan’ny distrika mbola ahitana pesta ny ao Ankazobe. Nilaza ny dokotera ao an-toerana fa mihamafy ny ezaka atao hisorohana ny aretina. Anisan’izany ny famonoana voalavo sy parasy ary ny fanadiovana ny tanàna.