Notanterahina teny amin’ny biraon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, ny valandresaka mahakasika ny fifidianana ho filohany. Nilaza ny tomponandraikitra misahana ny fifidianana sy fitarainana eo anivon’ny FMF fa hisy ny sivana ho an’ireo kandidà hirotsaka hofidina sy ho mpikambana « Comité exécutif » (CE). Anisan’ireo sivana takina ny fandraisana ny taratasy fiantohana avy amin’ireo ligy 22 misy eto Madagasikara. Ny ligy tsirairay dia tsy afaka mametraka “caution” mihoatra amin’ ny kandidà. Araka ny nambaran’izy ireo, miisa roa ihany ny omena ny ho filoha ary telo ny ho mpikambana komity mpanatanteraka. Ireo filohan’ny ligy manana fahefana hanao sonia ny taratasy fanohanana kandidà ihany no afaka manome ny « caution ».
F. Randria