Avy nijery lalaon’ny Nosy: tovolahy roa indray voaendaka sy voatsatoka antsy

Niharan’ny fanendahan-jiolahy nitondra fitaovam-piadiana teny Ampefiloha akaikin’ny fiantsonan’ny taxi-be ny tovolahy roa, afakomaly hariva. Avy nijery lalaon’ny Nosy, taranja basikety, tao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahama­sina izy roa lahy no nifanehatra tamin’ny jiolahy. Mipetraka eny Ambanilalana Itaosy ireto niharam-boina ireto. Niandry taxi-be ho any Itaosy teo Ma­ha­masina izy ireo saingy tsy nahita bus teo intsony. Tapa-kevitra ny handeha an-tongotra izy roa lahy ka teny amin’ny fiantsonana taxi-be Ampefilo­ha no hiandry. Teny an-dalana efa akaiky ny fiantsonana anefa izy roa lahy no nohodidinina telo lahy nitondra antsy sy sabatra. Nandra­hona avy hatrany ireo jiolahy ka nanery ireo roa lahy mba hamoaka vola sy finday. Nika­sa hanohitra sy hitsoaka anefa izy ireo ka tsy nisalasala nanindrona antsy ny iray tamin’ireo jiolahy. Vokany, voatsindrona antsy saingy nisolifatra ny tovolahy iray raha voadaroka teo amin’ ny lohany koa ny iray hafa. La­san’ireo mpanendaka ny vola 30 000Ar niaraka tamin’ny finday tany amin’izy ireo. Nitsoa­ka kosa ireo jiolahy rehefa nahazo ireo vola sy finday. Nentina hopitaly haingana ilay tovolahy naratra ka avotra soa aman-tsara ihany na teo aza ny ratra nahazo azy. Na eo aza ny lalaon’ny Nosy, manao ny ataony koa ny jiolahy amin’izao ka tsy misy afa-tsy ny fahamailoana ihany.

J.C

Partager sur: