Fanavaozana ny fananan-tany: miisa 679.969 ny titra, 472.322 ny kara-tany vita

Isan’ny fanavaozana, nanafainganana ny fahazoan’ny Malagasy taratasin-tany ny nametrahana ny kara-tany. Na izany aza, mbola maro ny ezaka natao satria ny 20%-n’ny tany eto amintsika ihany no vita titra sy kara-tany amin’izao taona 2022 izao, taorian’izay 17 taona nanavaozana azy izay.

Nanomboka ny taona 2005 ny nanavaozana ny lalàna mikasika ny fananan-tany eto Madagasikara. Napetraka ny Taratasin’ny politikan’ny fananan-tany, mirakitra ny lamina samihafa. Nambaran’i Harijery Lahatra, teknisianina ao amin’ny Sehatra iombonana ho an’ny fananan-tany (Sif), fa maromaro ny fepetra noraisina, toy ny fanavaozana ny sata mifehy ny tany, ny fananganana rafitra sy ny fitaovana ampiasaina, sns.

Satria, foana ny fiheverana fa tanim-panjakana misy nanajary, fa novaina heverina ho efa tompony ny olona efa nanajary ny tany. Natsangana ny taratasin-tany kara-tany, haha ara-dalàna ny tanim-panjakana efa nisy nanajary, izay saika fahita manerana an’i Madagasikara.

Natsangana ny Birao ifoton’ny fananan-tany (Bif) eny amin’ny kaominina hisahana azy. Nampiasaina ho fitaovana hitiliana sy hamantarana ny sarintany avy amin’ny zanabolana (Plof)*.

Vita ny 20%

Notohizana koa ny fikarakarana ny tany ahazoana titra, satria mbola ny 10%-n’ny tany teto Madagasikara ihany no nanana izany, nanomboka ny taona 1896 hatramin’ny taona 2005, talohan’ny nanavaozana ny lalàna. Isan’ny nivoaka farany, ny lalàna 2022-013, mandrindra ny asan’ny Sampandraharahan’ny fananan-tany sy ny fandrefesan-tany, misahana ny fanomezana titra, andaniny, sy ny Birao ifoton’ny fananan-tany (Bif), mizara ny kara-tany, ankilany.

Nisy ny vokatra azo, nandritra izay fanavaozana izay. Niisa 679.969 ny titra tany voazara, ary 472.322 ny kara-tany, hatramin’ny jona 2022 teo. Mahatratra 117.554 km2 ny velaran’ireo, izany hoe, ny 20,025% amin’ny 587.041 km2 velarana manontolon’i Madagasikara.

Miisa 562 ny Bif tafatsangana amin’ny kaominina miisa 1.695 eto amintsika.

Ao anatin’ny fanavaozana ny fitsinjarana ny satan-tany. Misy ny tanim-panjakana tsy azo amidy. Fa novaina ho tanin’olon-tsotra tsy vita titra kosa ny tany efa nisy nanajary hatry ny ela, ka napetraka kara-tany hifehy azy ireny. Eo koa ny tanim-bahoaka sy ny tanim-panjakana manana sata manokana, toy ny faritra arovana (AP), ny faritra ara-toekarena manokana (ZEE), sns).

Mitovy lanja fa tsy mitovy tanjaka

Mitovy lanja ara-panjakana sy ny lalàna ny titra sy ny kara-tany, saingy tsy mitovy kosa ny tanjany satria ambony kokoa ny titra satria mazava kokoa ny antsipiriany. Anisan’ny mampiavaka azy, vita baorina ny titra, fa tsy voatery hanana ny kara-tany. Azo avadika ho titra ny kara-tany. Tsy azo toriana ny tany misy titra reniny (hafa ny dika na “duplicata”), fa azo foanana ny kara-tany. Maro ny ezaka mila hatao, satria tsy mbola vita ny 80%-n’ny tany manerana ny Nosy.

Nampiofanin’ny Sif, notohanan’ny tetikasa USAID Hay Tao ny mpanao gazety avy aty Antananarivo sy Analanjirofo mikasika ireo fanavaozana ny fananan-tany ireo tamin’ny fiandohan’ny volana novambra teo, tany Toamasina.

 

Njaka Andriantefiarinesy

 

*Plof: Plan local d’occupation foncière

 

Partager sur: