TARATRY ny KANTO

Hanatanteraka ny «Festival de musique chrétienne» andiany faharoa ny Orchestre Philharmoni­que.Fampisehoana hotanterahina ao amin’ny Paroisse internationale Andohalo, ny alahady 21 jona izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Fizarana voalohany, hitendren-dry zareo ny «chants liturgiques» voarakitra ao anatin’ny Tiona sy ny Antema FFPM. Ny tapany faharoa, hamelomana ireo «classiques sy oratorios», sanganasan’i J.S Bach, Camille Saint-Saëns, Razafindrakoto Norbert, Haendel, Mozart, sns.
Iray volan’ny teny malagasy. Iray volan’ny ankizy… Samy mangingina indray. Ny faharesen’ny tsirairay lahatra no tena zava-dehibe. Isan’andro, miresaka sy mampiasa ary miaina miaraka amin’ny teny malagasy. Tahaka izany ihany koa ny fanabeazana sy fitaizana ny ankizy. Teo amin’ny Malagasy: «ny zanaka tiana tsy hitsitsiana rotsakazo». Tsy iandrasana ny volana jona izany vao atao.
Hira malagasy fahiny. Mitohy ny fanoratana azy ireny ho tonga solfezy. Fantatra, omaly, fa anisan’ny imasoan’ireo mpikaroka sy mpandalina ary mpampianatra ao amin’ny foibe Valiha Académie ny fanatanterahana io asa goavana io. Mba tsy hisian’ny fiovana, miainga any amin’ireo heverina ho fandraisam-peo ela indrindra ny asa fanoratana. Eo ihany koa ny fihainoana sy fandraisana ny feon’ireo raiamandreny sy zokiolona mbola mahatadidy ireny hira fahiny ireny.

Partager sur: