Fizahantany: 110 000 nitsidika an’i Madagasikara nanomboka ny janoary 2023

Madiva hifarana ny fotoan’ny fialantsasatra lehibe, mahamaro ny vahiny mitsidika an’i Madagasikara. Araka ny antontanisan’ny minisiteran’ny Fizahantany, maherin’ny 110 000 ny vahiny tonga teto amintsika, nanomboka ny janoary 2023.

Nitombo ny mpizahatany raha oharina ny tamin’ny taon-dasa. Naherin’ ny 25 000 ny mpizahatany nankaty Madagasikara nandritra ny volana jolay 2023 teo, raha nihoatra ny 11 000 ny jolay 2022. Nahatratra 34 000 kosa izany ny jolay 2019.
Maherin’ny 110 000 ny vahiny nitsidika teto amintsika, nanomboka ny janoary hatramin’ny jolay teo. Tanjon’ny minisiteran’ny Fizahantany ny hahatongavan’ny mpizahatany 300 000 amin’ity taona 2023 ity.
Anisan’ny antenaina ny fisian’ny lalaon’ny Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indiana (JIOI), atao eto amintsika, nanomboka ny 25 aogositra ary hifarana amin’ny 3 septambra ho avy izao. Satria an’arivony ireo atleta tonga eto amintsika, ary saika feno daholo ny trano fiantranoana eto an-drenivohitra, ankehitriny.
Efa hita koa izany any Nosy-Be, toerana tena safi­dian’ny vahiny mpizahatany, satria feno 100% ny trano fiantranoana rehetra, ahitana efitrano mitotaly 2 000.
Maro ny tanjona napetraka
Vina lavitr’ezaka napetraky ny fanjakana ny hisian’ny mpizahatany 1 000 000 amin’ny taona 2028. Maromaro ny tanjona napetraky ny fanjakana nifandimby, saingy nisy foana ny sakana. Natao tanjona ny taona 2008 ny hisian’ny mpizahatany 500 000 ny taona 2012. Tsy tratra satria nisy ny krizy 2009. Naverina ho tanjona indray ny taona 2020, saingy teo ny Covid-19. Toraka izany koa ny taona 2022, fa tsy tratra ihany koa. Nampitomboina ho 1 tapitrisa afaka dimy taona, izany hoe, amin’ny taona 2028. Tsiahi­vina fa tamin’ny taona 2008 no be indrindra ny mpitsidika an’i Madagasikara, nahatratra 375 000.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: