Indostria : vonona hanampy an’i Madagasikara ny SFI

Noraisin’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana, Razafindravahy Edgard, afakomaly, teny Ambohidahy i Amadou Labara, tomponandraikitry ny “Société financière internationale” (IFC) sy ny ekipany. Niarahaba ny minisitra tamin’ny zava-bitany sy ireo fanamby mbola hapetrany ity tomponandraikitra ity. Nilaza izy fa vonona hanome tolo-tanana ho amin’izany ny IFC, izay sampandraharahan’ny banky iraisam-pirenena. Mia­ra-miasa amin’ny sehatra tsy miankina tany Ethiopie nandritra ny fito taona ny IFC. Nampahafantatra ny zava-bitany tany an-toerana nandritra ny fotoam-piasany i Amadou Labara, Anisan’izany ny fampandehanana ny sehatry ny indostria. Betsaka ny mampitovy an’i Madagasikara sy i Ethiopie. Firenena isan’ny mpanafatra “orge” fanamboarana labiera i Ethiopie kanefa lasa mpanondrana izany tao anatin’ny 4-5 taona monja. Nahaliana ny minisitra ny ohatr’ity firenena ity, hanatsarana ny paikady hametrahana ny faritra ara-toekarena manokana (zone économique spéciale) sy ny fametrahana faritra ho an’ny indostria.

Fampandrosoana
Resy lahatra izahay fa fototry ny fampandrosoana hatrany ifotony ny fametrahana ny indostria, misy ny tetikasa ODOF, orinasa iray isaky ny distrika. Tamin’ity taona ity, maherin’ny 30 ny orinasa efa voapetraka ao anatin’ny taninketsa indostrialy. Miainga amin’ny vokatra isam-paritra ny fitaovana omena. Araka izany, maniry hijery ny fizotran’ny fanatanterahana ny tetikasa ny tomponandraikitry ny IFC.

Henintsoa Hani

Partager sur: