VAOVAO TAMBATRA

Tsy foana tanteraka ny delestazy eto Antananarivo sy ny manodidina. Manodidina ny amin’ny 10 ora alina izany hatramin’ny 2 ora maraina. Maharitra adiny roa eo ho eo ny faharetany. Misy koa ny fahatapahana madinika mandritra ny atoandro sy ny tolakandro.

Tonga any amin’ny Tangoron-tendrombo­hitr’i Makay ilay mpitety tanàna sy vohitra, Rabekijana Farah. Mpahay nahandro rahateo izy, ka mitety ny toerana mandalina ny sakafo malagasy isam-paritra. Mitondra moto marika Honda Shadow 600 ity vehivavy ity mitety an’i Madagasikara. Efa nandalo an’Ambositra, Fianarantsoa, Ranohira izy amin’izao diany izao.

Nankatoavina nandritra ny fivorian’ny COPIL ny drafi-panajariana ny jono (PAP) ao Mananjary. Natolotra nandritra izay ny boky mirakitra ny antontan-kevitra mahakasika (PAP), ao amin’ny Faritra Vatovavy, voavolavola nandritra ny fitsidihana. Taorian’io, nisy ny atrikasa narahina adihevitra momba ny rafitra mpanatanteraky ny PAP.

Tantsaha 98 nisitraka hanam-pamokarana ka nahazo masomboly vary 882 kg, zezika NPK 1470 kg ary zezika organika 7350 Kg tao amin’ny tanànan’ Ampasina Maningory, kaominina Ampasina Manin­gory, distrika Fenoarivo Atsinanana. Vokatra azo tamin’ny alalan’ny tetikasa “PURPA” irahana amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, vatsian’ny BAD vola.

Partager sur: