Lalaon’ny nosy: Medaly volamena 83, volafotsy 50, alimo 61 ho an’i Madagasikara

Miditra amin’ny andro faha-7 anio, ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11. Mbola mitarika eo
amin’ny laharana voalohany vonjimaika hatramin’izao i Madagasikara amin’ny fahazoana medaly.

Tafakatra 83 ny medaly volamena azon’ny Malagasy, taorian’ny andro faha-6, omaly. 50 ny medaly volafotsy ary 61 kosa ny medaly alimo. Mbola eo amin’ny laharana voalohany hatrany no misy an’i Madagasikara, nahazo medaly 194. Ry zareo maorisiana, manana medaly volamena 65 no faharoa. Laharana fahatelo i La Réunion, manana medaly volamena 62.
Niatrika ny famaranana omaly, ny taranja tsipy kanetibe. Anisan’ny taranja mbola manavanana ny Malagasy. Raha ny vokatra, medaly volamena telo sy volafotsy roa ary alimo roa no azon’ny Malagasy mpilalao tsipy kanetibe.
Ho an’ny taranja atletisma, mbola niampy ny medaly azon’ny atleta malagasy, omaly, tetsy amin’ny kianjan’Alarobia. Medaly volamena telo sy volafotsy roa ary alimo telo no azo. Mbola niampy ihany koa ny medaly azon’ny mpikatroka ny taranja tolona: volamena dimy sy volafotsy telo. Niampy, torak’izany koa, ny teo amin’ny taranja tenisy: volamena iray, volafotsy iray, alimo roa.
Tsy ambakan’ny hafa ny vokatra teo amin’ny taranja lomano. Nahazo medaly alimo iray teo amin’ny 4×100 m, Nage libre, ny Malagasy mpilomano. Nandrombaka medaly volamena roa ihany koa ny atleta malagasy manana olana ara-batana (paralympique), teo amin’ny taranja atletisma sy lomano, omaly.
Manomboka miditra tsikelikely amin’ny dingana farany avokoa ny taranja iraisana, toy ny.handball sy ny volley-ball ary ny baolina kitra. Niditra tamin’ny andro fahatelon’ny fifanintsanana kosa ny taranja basikety 5×5, omaly. Raha hiverenana ny vokatra, nandresy ny ekipan’i Mayotte, 77 no ho 45, ny vehivavy ekipa malagasy. Isa 89 no ho 52 kosa ny nandavoan’ny Ankoay lehilahy, ny ekipan’i Kaomoro.
Hiditra an-tsehatra manomboka anio ihany koa ny taranja Karate sy Kick-boxing.

Partager sur: