Nafana tanteraka ny lalao famaranana, lalao ho an’olon-tokana “simple”, lahy sy vavy tetsy Ambohidahy, omaly. Lasan’i La Réunion ny volamena teo amin’ny sokajy lehilahy, raha toa ka azon’i Madagasikara izany ho an’ny vehivavy.
Notanterahina tetsy amin’ny Acsa Ambohidahy, omaly 30 aogositra, ny lalao famaranana ho an’ny taranja tenisy ho an’olon-tokana “simple”, lahy sy vavy, amin’ity lalaon’ny Nosy ity. Norombahin-dRanaivo Mialy, vehivavy malagasy mpilalao tenisy ny medaly volamena “simple”, vehivavy, rehefa nandresy an’i Pauline Payet, mpilalao avy atsy la Réunion, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6,3/6,4).
Marihina fa teo amin’ity lalao fahafolo “10eme jeux” seta faharoa ity, nisy fifandirana ny nahazoan-dRanaivo Mialy ny fandresena. Milaza ilay mpitsara amin’ny sisiny “juge de ligne” fa tsy tafiditra ny baolina, etsy ankilany ny mpitsara afovoany dia milaza fa iny no “balle de set” ho an’i Mialy.
Tsara ny mampahafantatra fa Ranaivo Mialy, efa nandrombaka ny medaly volamena niaraka tamin’i Mitia Voavy, ho an’ny lalaon’olon-droa “double”. Ankoatra izay, nahazo ny medaly volafotsy, Ranaivo Toky, lehilahy malagasy mpilalao tenisy, rehefa niondrika teo anatrehan’i Florent Bax, rénionais, seta 2 no ho 1 (5,7/6,4/7,6). Nalain’i Voavy Mitia ny alimo ho an’ny vehivavy “simple” raha toa ka azon’Andriamasilalao Lucas ny an’ny lehilahy.
Hoy izy ireo:
“Faly aho satria nahazo medaly volamena roa i Madagasikara. Hatolotro ho an’ny Malagasy rehetra ny fandreseko androany, ary hiezaka ny handrombaka ny volamena hafa ihany koa ny tenako.” Ranaivo Mialy, vehivavy mpilalao Tenisy.
“Niezaka ny hanome ny medaly volamena ho an’ny vahoaka malagasy rehetra aho saingy resin’i Florent Bax. Nanolotra ny 100% avy aty amiko aho nefa tsy mbola azoko ny fandresena ka amin’ny lalao manaraka aho manarina ny lesoka”. Ranaivo Toky, lehilahy mpilalao Tenisy.