Volley : nandresy ny Réunionais ny Malagasy

Nangotraka ny fifaninanana volley, teny amin’ny kianja mitafon’Ankatso, omaly. Nampitsanga-mitoetra ny lalaon’i Madagasikara sy La Réunion, indrindra ny teo amin’ny sokajy lehilahy. Seta 3 no ho 1 no nandresen’ny ekipa malagasy ny Réunionais, rehefa samy niady mafy ny ekipa roa tonta. Azon’ny Malagasy ny seta voalohany, 25-19, nitsimbadika anefa ny isa tamin’ny seta faharoa. Samy nanezaka ny andaniny sy ny ankilany tamin’ny seta fahatelo (27-25) sy fahefatra (29-27), saingy tany amin’ny Malagasy no nitsiky ny vintana ka nahazo ny fandresena. Nambaran’ny mpanazatran’ny ekipa malagasy fa sarotra ny nahazo ny fandresena omaly, saingy vonona ny hanarina ny lesoka izy ireo. Marihana fa mpianaka nifanandrina tamin’ity lalao omaly ity i Mamy Be (Madagasikara) sy Heritiana (La Réunion). Teo amin’ny sokajy vehivavy, seta 3 no ho 0 (25-12/25-19/25-16) no nandresen’ny Malagasy an’i La Réunion. Nam­baran’i Armella, Malagasy mpilalao fa mbola vonona izy ireo handresy ary indrindra haka medaly volamena. Manentana ny mpijery ho tonga maro, anio, amin’ny manasa-dalana (Madagasikara# Seychelles) sy (Mada­gasikara# Maurice), ny filoha lefitry ny FMVB, Ranaivoson Mamy.

Partager sur: