Na tsy salama aza i Sidonie Fiadanantsoa, mbola norombahiny ny medaly volamena teo amin’ny 100 m misy fefy, vehivavy, taranja atletisma. Andro faharoa notanterahina omaly alarobia, tetsy amin’ny kianja Alarobia. Tontosany, tao anatin’ny 13 s 14 ampahazatony izany. Nifampitady hatrany am-piaingana izy sy ilay rénionais, i Esther Conde Turpin, tonga faharoa. «Misaotra an’Andriamanitra aho fa na teo aza ny fivalanana nahazo ahy, vita ihany iny ary nahazo ny medaly volamena. Raha salama aho tsy tokony ho iny
ny vokatra», hoy izy. 13 s 17% ny fe-potoanan’i Turpin. Fahatelo, Ravololonihanta Estella, 14 s 65%. Medaly volamena faharoa azon’ny Malagasy omaly ihany koa ny 1 500 m, lehilahy, lasan’i Tahinjanahary Tsima, tamin’ny 04 mn 03 s 61%. Nitarika am-boalohany ilay maorisianina, i Ilshad Dookun, saingy narahin’i Tsima fotsiny. Teo amin’ny 150 m tsy hahatongavana no nihoarany io mpifanandrina aminy io. Mbola Malagasy no tonga faharoa, Rakotondrainy Heriniaina, 04 mn 03 s 80%, fahatelo, i Dookun, 04 mn 04 s 63%. Lasan’i Madagasikara koa ny volamena teo amin’ny «Poids sport adapté», vehivavy ho an’ireo atleta manana fahasembanana, tamin’ny alalan’i Brigila Clair.