Seho sehatra ho an’ny tanora: nifarana ny hetsika, nalai-nisaraka ny mpandray anjara

Nofaranana tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ny Arena Ivandry, ny seho sehatra ho an’ny tanora ato anatin’ity lalaon’ny Nosy, andiany faha-11, atao eto Madagasikara, ity. Telo andro no nanatanterahina ny hetsika saingy feno firaisan-kina sy firahalahiana tokoa ny fifandraisan’ireo tanora mpandray anjara. Niray feo ireo tanora nanambara fa tombony lehibe ny nandraisana anjara tamin’ity taranja iray ity. Fanatsarana kosa no natolotr’izy ireo ny hampitomboina ny fotoana hanatanterahana izany amin’ny lalaon’ny Nosy manaraka.
Tanora 14 hatramin’ny 25 taona, avy amin’ny nosy 7, mandray anjara ao anatin’ny lalaon’ny Nosy, no nifampizara kolontsaina sy haikanto ary nampahafantatra ny nosiny, nandritra ny seho an-tsehatra ho an’ny tanora. Samy afa-po ny rehetra, na ny mpikarakara na ny mpandray anjara. “Tra­tra ny tanjona napetraka, ao anatin’izao sehatra ho an’ny tanora izao, dia ny hampitombo ny fifandraisana eo amin’ny tanora”, hoy Resampa André Haja, filohan’ny COJI, tanatin’ny lahateniny, nandritra ny lanonana famaranana ny seho sehatra ho an’ny tanora. Mbola maro anefa ireo kolontsaina sy haikanto tsy afaka nampahafantarina noho ny fotoana voafetra ka izay no nanaovan’ireo tanora mpandray anjara antso avo ho an’ny tomponandraikitra.
Nisy ny fanolorana medaly sy mari-pahatsiarovana ho an’ny tanora nandray anjara rehetra sy ho an’ny mpitarika azy ireo, nandritra ny lanonana famarana, omaly.

Partager sur: