Ho maina tanteraka ny andro amin’ny faritra rehetra manomboka rahampitso, araka ny voalazan’ny foibe famantarana ny toetry ny andro. Hiverina hiakatra miandalana ny maripana manomboka anio. Nahitana fahatsarana ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra eto Antananarivo satria manodidina ny fetran’ny OMS avokoa ny refy rehetra voaray.
Ho fanohanana ireo mpandresy tamin’ny fifaninanana World Skills THA, hofanina izy ireo amin’ny sehatry ny famoronana asa. Natomboka afakomaly, tao amin’ny CFP ny fiofanana, izay tafiditra amin’ny fanatanterahana ny tetikasa “Better Education for Africa’s Rise II (BEAR II)” iarahan’ny Unesco sy ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa.
Nitsidika ny governoran’ny faritra Atsimo Andrefana, Ranoelson Tovondrainy, ny masoivoho Amerikanina, Claire Pierangelo, ny talata teo. Fanamafisana fiaraha-miasa amin’ny fiarovana ny rohivoahary sy ny harena voajanahary ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana no nodihina niaraka nandritra ny fihaonana.
Nandefasana dokotera manam-pahaizana manokana any Ifanadiana hiantoka ny fahasalaman’ireo mponina any ary hanatevin-daharana ireo mpiasan’ny fahasalamana efa any an-toerana. Eo koa ny fitsaboana maimaimpoana sy ny fampiasana ny “fond d’urgence”. Namely ny tazomoka tany an-toerana ka antony anaovana hetsika manokana.