Miakatra hatrany ny isan’ny medaly azon’ny atleta malagasy ao anatin’ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11, tanterahina eto Madagasikara.
Mbola mitarika eo amin’ny laharana voalohany ny Malagasy. Efa tafakatra 92 ny medaly volamena, 55 ny volafotsy ary 69 ny alimo ho an’i Madagasikara, amin’izao telo andro tsy hifaranan’ny lalaon’ny Nosy izao, ka mametraka azy ho eo amin’ny laharana voalohany vonjimaika. Mitotaly 215 ny isan’ny medaly eo an-tanan’ny atleta malagasy hatramin’izao. Laharana faharoa hatrany kosa i Maorisy, manana medaly volamena 71, izay marihana fa 215 mitovy amin’ny an’i Madagasikara ihany ny fitambaran’ny medaly azony.
Laharana fahatelo i La Réunion, manana medaly 188 ka 66 ny volamena. Raha hanaovana jery todika ny andro omaly, ho an’i Madagasikara, taranja nahazoana medaly volamena maro ny teo amin’ny taranja izay vao nanomboka omaly, nahazoana medaly volamena 5 sahady. Teo ihany koa ny taranja atletisma, nahazoan’ny Malagasy volamena 1, volafotsy 2 ary alimo 5. Anisan’ny mbola nanome medaly ho an’i Madagasikara ihany koa ireo taranja maro, toy ny tolona, tenisy ary tsipy kanetibe. Tsiahivina, fa efa maro ihany koa ireo taranja tolona. Nanomboka omaly kosa ny taranja karate sy ny kick-boxing izay mbola misy herijika ahazoan’ny Malagasy medaly betsaka ka ahafan’i Madagasikara mijanona eo amin’ny laharana voalohany vonjimaika.
Tombony lehibe ho an’i Madagasikara ny nahatafakatra famaranana ny ekipa malagasy amin’ny taranja iraisana toy ny baolina kitra sy ny volley ary ny handball ka hampitombo ihany koa ny medaly ho azo. Raha mitohy ny ezaka ho an’ny atleta malagasy, efa azo antenaina fa horombahan’i Madagasikara hatramin’ny farany ny laharana voalohany, amin’ity lalaon’ny Nosy andiany faha-11 ity.