Atletisma: nanjakan’ny Malagasy ny 400 m, sokajy vehivavy

Niditra tamin’ny andro fahatelo ny taranja atletisma, omaly alakamisy. Fifanina­nana notanterahina tetsy amin’ny kianja Alarobia hatrany. Anisan’ny nisongadina ny zava-bitan’ny Malagasy teo amin’ny 400 m, vehivavy. Nan­jakan’i Madagasikara ny fifaninanana. Malagasy avokoa mantsy no telo voalohany. Vao teo am-piaingana dia efa nitarika tamin’ny hazakazaka i Namahako Cynthia, izay tsy nisy nahasongona hatramin’ny farany. Tontosany tao anatin’ny 55 s 76% ny hazakazaka. Nanaraka azy, Raheri­naivo Koloina, 56 s 65% ary fahatelo, Andrianjafy Aina, 56 s 77%. Niavaka i Aina satria izy no zandriny indrindra izay vao 16 taona monja. “Faly aho satria niakatra “podium”. Efa nampoiziko ny hahazo medaly satria dadanay efa atleta. Natahotra ihany teo am-boalohany satria mafibe ny mpifanandrina amiko fa niezaka dia vita”, hoy izy teo am-pahatongavana.
Medaly volamena faharoa azon’ny Malagasy, ny fifaninanana teo amin’ireo atleta manana fahasembanana “pa­ra athletisme”. Lasan’Andria­na­rindra Nancy Carmen ny voalohany teo amin’ny “200 m sourd dame”. 27 s 81% ny fe-potoany. Nahazo ny volafotsy ilay maorisianina, i Lokheeram Shleysha Ayus, 29 s 91% ary an’ilay Réunionais, i Alamelle Laureen, ny alimo. 29 s 98 % ny nahatontosany ny halavirana 400 m

Partager sur: