Tenisy : Medaly volamena 2 no azon’i Madagasikara

Nifarana omaly 31 aogositra, tetsy amin’ny ACSA Ambohidahy, ny fifaninanana tenisy hoan’ny lalaon’ny Nosy JIOI 2023. Mitotaly sivy, araka izany, ny medaly azon’ny Malagasy tamin’ity taranja ity, 2 volamena, 4 volafotsy ary 3 alimo. Tsiahivina fa lavon’i La Réunion tamin’ny isa 2 no ho 0 isika ho an’ny lalaon’ny ekipa “jeux par équipe”.
Resin’i Florent Bax tamin’ny seta 2 no ho 0 (6,4/7,6) Ranaivo Toky ho an’ny lalaon’olon-tokana “simple” lehilahy. Niondrika teo anatrehan’i Girard Emmanuela tamin’ny seta 2 no ho 0 (6,4/6,3), Ranaivo Mialy, « simple » vehivavy. Ho marikin’ny “Fair-play”, nasian’i La Réunion sy i Madagasikara fiarahana maka sary teny an-toerana.
Marihina fa tonga nanolotra ny medaly sy nanome voninahitra ny lanonanana ny minisitra mpiahy ny taranja Tenisy, Rakotondrazafy Lalatiana, minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina.
“Misaotra betsaka ny Akomba ny tenako, efa maro ny ezaka vitan’izy ireo tamin’ity lalaon’ny Nosy ity ary nitondra avo ny firenena malagasy. Manana ny maha-izy azy isika ary resy amboninahitra foana raha lavo teo amin’ny famaranana aza”, hoy ny minisitra, Rakotondrazafy Lalatiana.

Partager sur: