Nozarain’i Madagasikara sy i La Réunion ary i Maurice, ny medaly volamena teo amin’ny «lutte libre » isan-tarika lahy vavy, teo amin’ny andro farany notanterahina omaly, teny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano. Lasan’ny Malagasy avokoa ny teo amin’ny sokajy 74 kg, nahitana an’i Bienvenu, i Jessy sy i Joe ary Mitantsoa, niampy an’i Malala sy Rasoarimalala. Resiny teo amin’ny famaranana ny ekipa maorisianina, notarihin’i Toomun Mohammad Zainuddine.
Nahazo fandresena ary niambozona medaly volamena ihany koa ny teo amin’ny “lutte libre” sokajy 50 kg, rehefa nanilika ny maorisianina, hatrany. Teo koa ny an’ny sokajy 59 kg, izay nandresy tsy niady an’i Maorisy. Anisan’ny nandrombaka izany koa ny teo amin’ny 72 kg nandavoana an’i Maurice.
Resin’i La Réunion ny Malagasy teo amin’ny sokajy vehivavy 57 kg. Toy izany koa ny teo amin’ny 74 kg sy ny 97 kg ary ny 50 kg. Niambozonan’i Maurice kosa ny teo amin’ny sokajy mavesatra 97 kg. Resiny teo amin’ny famaranana i La Réunion. Toy izany koa ny teo amin’ny 72 kg ka ry zareo réunionais hatrany no resiny.