Karate : nandraoka medaly volamena 5 ny Malagasy

Tsara fanombohana ny taranja karate, ao anatin’ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11, tontosaina etsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina. Medaly volamena 5 sy alimo iray no norombahan’ny karateka malagasy, tamin’ity andro voalohany ity. Tsiahivina fa famaranana 6 no nitranga omaly ka fandresena 5 no azon’i Madagasikara.
Ny teo amin’ny sokajy Kumite, vehivavy, no nahazoan’ny malagasy ny medaly 3, nahitana an-dRa­zafimbonina­hitra Karine Elodie (-61kg), Raboa­nari­tompo Jes­sica Soary (-68kg) ary Rava­ha­ma­nantsoa Nancy Maria (+68 kg). Teo amin’ny sokajy Ku­mite lehilahy kosa no nahazo medaly volamena 2, nahitana an-dRaherimahaleo Jean Mbyck (-75 kg) sy Rijaha­ritia­na Fenosoa Patrick (-84kg). Nahazo ny medaly alimo iray, teo amin’ny sokajy Kumite, lehilahy +84 kg, Rafanome­zantsoa Dina Niain­a. Namba­ran’ny mpanazatra nasionaly, Sensei Rakotobe Charlie fa efa nanomana 7 volana ireo atleta malagasy ireo ka efa niomana ny hibata fandresena. Fanamby ny haka ny medaly volamena 16 ho an’ny karate, 5 anefa no azo hatramin’izao, hoy hatrany ny nambarany. Nanamafy kosa ny filohan’ny federasiona malagasin’ny karate, Ratefinana­hary Emile, fa hiezaka ny tsy hamotsotra ireo medaly ambiny mbola hiadivana ny Mala­gasy mpikatroka. Araka ny fandaharam-potoana, famaranana maromaro no hita etsy Mahamasina amin’ny anio. Anisan’ny hiatrika izany, ny sokajy kumite, -60kg sy 67 kg, lehilahy, -50 kg sy -55 kg, vehivavy, ary ny “par équipe ” lahy sy vavy. Hitohy rahampitso sabotsy izay famaranana izay ka anisan’ny hiatrika izany ny sokajy Kata vehivavy isan-tarika, ahitana an’i Mirantsoa, i Laurencia ary i Gaelle.

Partager sur: