Tsara famaranana ny ekipam-pirenena malagasy teo amin’ny taranja tsipy kanetibe. Fifaninanana, notanterahina teny amin’ny kianja Vontovorona omaly zoma. Nandrombaka medaly volamena 2 mantsy ny olon-telo miaraka lahy sy vavy. Teo amin’ny andriambavilanitra, lavon’i Odile sy i Prisca ary i Mamy niampy an’i Tahina teo amin’ny famaranana, ny ekipa kaomorianina, nahitana an’i Naila sy i Mousrianti ary i Echata. Nomontsanin’ny Malagasy, tamin’ny isa 13 no ho 2 izy ireo. Tsy niady mihitsy ny fihaonana satria nanjaka tamin’ny lafiny rehetra na tifitra na fakana ny isa ny Malagasy. «Efa nampoizina ny vokatra satria milalao eto amin’ny tanintsika isika. Ankoatra izay, nirindra sy nifameno tsara ny lalao nasehonay teo ambony kianja», hoy i Odile.
Ho an’ny sokajy lehilahy, resin’i Tafita sy i Donald ary i Hariliva sy i Haja teo amin’ny famaranana ihany koa ry zareo maorisianina, nisy an’i Sylvio, Sumoreeah, Vincent ary i Khodabaccus. Tamin’ny isa mazava, 13 no ho 2 no nisarahan’ny roa tonta. Tsy nisy niainana ny tifitra nataon’i Tafita, tamin’ity fihaonana ity ka nampisavoritaka ny mpifanandrina.
Tsiahivina fa norombahin’ny Malagasy avokoa ny medaly volamena, tamin’ity tsipy kanetibe ity, afa-tsy ny teo amin’ny «tir de précision», sokajy lahy sy vavy.