Atletisma – 4×100 m vehivavy: mpanjakan’ny ranomasimbe Indianina ny Malagasy

Nandrombaka medaly volamena indray ny atletisma, tamin’ny alalan’ny 100 m inefatra mifampitohy, sokajy vehivavy. Fihaonana notanterahina omaly, teny amin’ny kianja Alarobia. Noporofoin’ny Malagasy fa izy ireo no mpanjakan’ny hafainganam-pandeha eto amin’ny ranomasimbe Indianina. Nihazakazaka voalohany i Sidonie Fiadanan­tsoa, izay niavaka avy hatrany ary nanolotra ny «temoin», tamin’i Haingo izay lasa na­zava ka nampisy elanelana teo amin’ireo mpifanandrina aminy. Namarana ny hazakazaka i Claudine izay nanavatsava irery mandra-pahatonga teo amin’ny tsipiky ny famaranana. 44 s 82% ny nahavitan’ny Malagasy io halaviran-dalana io. «Tsara ny tolotra niainga tany amin’i Sidonie ka afaka nanatontosa tsara ny hazakazaka izahay», hoy i Claudine. Marihina fa nisy ny olana noho ny tsy faneken’i La Réunion ny «couloir» nisy azy, ka nanemorana ny famaranana. «Tsy nampaninona anay iny fanovana «couloir» iny fa tsy nampiova ny vokatra satria izahay manana olona mahery mihazakazaka», hoy i Sidonie. Niditra faharoa, i Maorisy, 46 s sy 56% ary fahatelo i Maldives 47 s sy 03%.
Nandrombaka ny medaly volamena ry zareo Mao­risianina, nahatontosa izany tao anatin’ny fe-potoana 39 s 55%.

Partager sur: