Kick-boxing : nahazo medaly volamena 8 i Madagasikara

Nifarana omaly zoma 1 septambra ny fifaninanana Kick-boxing, ho an’ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11. Tsara ny vokatra ho an’ity taranja ity, amin’ny ankapobeny. Medaly 14 no norombahan’ny Malagasy, nahitana volamena 8, volafotsy 4 ary alimo 2. Araka io vokatra io, nahazoan’i Madagasikara medaly avokoa ireo sokajy 14, tetsy amin’ny CCI Ivato. Teo amin’ny sokajy vehivavy no nahazoana ny medaly volamena 4, nahitana an-dRandriamiarina Bienvenue Natacha, -48 kg, Rakotoarison Raharivololona Sandra, -52 kg, Razanaba­hoaka Elysee Faratiana, -60kg ary i Machilloe Issa, -65 kg. Nahazo medaly vo­lamena toy izany koa ny teo amin’ny sokajy lehilahy, tamin’ny ala­lan’i Jean de Dieu Fidèle Arson, -51 kg, Randriama­siniaina Vladis Duco, -60kg, Lahama­havonjy Birinod, -67kg ary Andria­maharo José Emile, -81 kg. Nambaran’i Natacha fa mafy ny mpifanandrina taminy, i Araux Brunela, saingy na­nohitra sy nampiseho ny heriny ihany koa izy ka norombahany ny fandresena. Nana­mafy izany ihany koa i Jean De Dieu Fidèle Arson na i Vazah, izay tena niady mafy vao nahazo ny medaly volamena.

Partager sur: