Fahombiazana ny fandraisan’i Madagasikara ny lalaon’ny Nosy. Afa-po ny vahiny. Tratra ny tanjona ho an’ny mpampiantrano, indrindra ho an’ny Atleta: medaly volamena 122.
Medaly 272 be izao no noraofin’ny atleta malagasy nandray anjara tamin’ity lalaon’ny Nosy, andiany faha-11, ity. Niakatra 122 ny medaly volamena, raha toa ka 100 ny tamin’ny taona 2007, 71 kosa ny volafotsy ary 80 ny alimo. Laharana faharoa i Maorisy ary fahatelo i La Réunion. Taranja nahazoan’i Madagasikara medaly betsaka indrindra ny fibatana fonjamby. Medaly volamena 34, volafotsy 11 ary alimo 10 no azon’ny Malagasy mpibata fonjamby. Manaraka azy ny taranja Atletisma, Taekwondo, Karate, izay nahazoan’i Madagasikara laharana voalohany ihany koa. Samy nahazo medaly volamena 13 avy ireo taranja roa ireo. Ho an’ny Atletisma, mitotaly 40 be izao ny medaly azon’ny Malagasy atleta. Nisongadina ireo mpikatroka teo amin’ny taranja haiady Kick-boxing sy ny taranja Tolona. Samy nandrombahan’ny Malagasy medaly volamena 8 avy ihany koa ireo taranja roa ireo ary laharana i Madagasikara. Laharana voalohany toy izany koa ny firenena malagasy teo amin’ny taranja Tsipy kanetibe (volamena 7, volafotsy 2, alimo 5). Ny taranja iraisana Basikety 3×3 sy 5×5 (volamena 4), Rugby (volamena 2), Baolina kitra (volamena 1), raha toa ka laharana faharoa teo amin’ny Volley-ball (volafotsy 2) sy Handball (volafotsy 1 sy alimo 1). Ankoatra izay, laharana faharoa i Madagasikara teo amin’ny Judo (volamena 5, volafotsy 6, alimo 10), Tenisy (volamena 2, volafotsy 4, alimo 3), Tenisy ambony latabatra (volamena 3, volafotsy 1, alimo 4), ny Para-atletisma (volamena 3, volafotsy 4, alimo 4) ary ny Para-natation (volamena 1, volafotsy 2, alimo 1). Laharana fahatelo kosa teo amin’ny Badminton (alimo 3) sy hazakazaka am-bisikileta (alimo 1). Fahefatra teo amin’ny taranja Ady totohondry izay nahazo volamena 1, volafotsy 10 ary alimo 11). Ho an’ny taranja lomano, laharana fahefatra i Madagasikara, saingy tena nahavita zavatra tsara ireo Malagasy mpilomano. Medaly volamena 3, volafotsy 1, ary alimo 7 no azon’ny Malagasy.