Rugby: nandrombaka medaly volamena 2 ny Makis

Nahatanteraka ny fanambiny ny Makis, teo amin’ny taranja rugby, lalaovina olona 7. Fihaonana notanterahina tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny sabotsy lasa teo. Tsy navelan’ny Makis hivoaka ny taniny mantsy ny medaly volamena roa, ho an’ny lahy sy vavy.

Teo amin’ny vehivavy, nataon’ny Makis tsy nisotro rano mihitsy ireo rehetra nifanehatra taminy. Tsy nisy nitoko izay nifandona tamin-dry Claudia sy ny namany, nanomboka hatrany amin’ny fifanintsanana ka hatramin’ny famaranana. Raha tsiahivina, nandresy an’i Mayotte, tamin’ny isa 33 no ho 0, teo amin’ny lalao voalohany. Nanilika an’i Maurice, 43 no ho 0, teo amin’ny fihaonana faharoa ary nanamontsana an’i La Réunion, 31 no ho 0, ho an’ny lalao fahatelo. Nandresy an’i Maurice, 52 no ho 0, indray teo amin’ny manasa-dalana ary nampiondrika an’i La Réunion, 26 no ho 0, teo amin’ny famaranana. Lasan’i Mayotte ny medaly alimo rehefa nandresy an’i Maurice, 20 no ho 5.

Ho an’ny lehilahy, tsy nisy nandresy ihany koa hatrany am-boalohany ka hatramin’ny famaranana nandreseny an’i La Réunion, tamin’ny isa 17 no ho 14. “Efa nambarako hatrany am-piandohana fa tsy maintsy azon’ny Makis ny volamena 2 ary io izy tanteraka io”, hoy Rakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby.

Partager sur: