Kianjan’Alarobia: hotantanan’ny Federasiona malagasin’ny atletisma

Araka ny fanambarana nataon’ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry Nirina, omaly, teny Iavoloha, nomena ny Federasiona malagasin’ny atletisma ny fitantananana ny kianjan’Alarobia. Nasiana fanamboarana avokoa ny efitrano fidiovana, ny fisoloana akanjo “vestiaire”, ny trano fandraisam-bahiny ” Salle VIP”.

Tsiahivina fa nahazo medaly 40  ny taranja atletisma, nandritra ny lalaon’ny Nosy izay natao teto amintsika, ny 25 aogositra hatramin’ny 3 septambra lasa teo.  Miisa 13 ny volamena, 12 ny volafotsy, 15 ny alimo. Marihina fa laharana faharoa amin’ity taranja ity i Madagasikara ; nandritra ny lalaon’ny Nosy 2023.

Ny atletisma, anisan’ireo namoaka atleta kalaza maro nanao lalao olympika, toa an-dRakotozafy Rosa, izay tale jeneralin’ny fanatanjahantena ankehitriny sy Berlihioz Andriamihaja ary Rabenala Toussaint. Amin’izao fotoana izao, misy an’i Sidonie Fiadanantsoa sy Claudine Nomenjanahary.

Fitia

Partager sur: