Lalaon’ny Nosy 2023: nomena 5 tapitrisa Ar ireo nahazo medaly volamena

Taorian’ny lalaon’ny Nosy, izay natao teto amintsika ny 25 aogositra – 3 septambra lasa teo, nanolotra vola ho an’ny atleta ny filoham-pirenena.

Araka ny efa nampanantenain’ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry, tetsy Mahamasina, ny volana aogositra lasa teo, nomeny filoha 5 tapitrisa Ar avy ireo Malagasy atleta nahazo medaly volamena. Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, omaly, izany. Natao ho fankasitrahana ny zava-bitan’izy ireo tamin’ny lalaon’ny Nosy 2023 ity fanomezana goavambe ity.

3 tapitrisa Ar kosa no nomena ireo nahazo medaly volafotsy raha toa ka 2 tapitrisa Ar ny alimo. “Manana atleta mamiratra i Madagasikara ary mandresy sy handresy hatrany”, hoy ny filohan’ny Repoblika. Nomarihiny hatrany koa, ny ezaka rehetra natao nahatongavana amin’ izao fahombiazana izao. “Tratrantsika ny tanjona, nahazo laharana voalohany isika, nandresy tao anatin’ny firaisankina i Madagasikara”, hoy ihany ny filoha.

Tsiahivina fa i Madagasikara no nandrombaka medaly volamena betsaka indrindra teo amin’ny tantaran’ny lalaon’ny Nosy hatramin’izay. 121 ny isan’izany volamena izany.

Fitia

Partager sur: