Rallye : mitarika i Mathieu Andrianjafy

Dingana 3 izay no tontosa eo amin’ny fifaninanam-pirenena familiana fiarakodia ho an’ny taom-pilalaovana 2023. Mitarika eo amin’ny mpanamory, Andrianjafy Mathieu mitondra ny fiara Subaru, avy amin’ny Asacm, manana isa 170, 50. Nandraisany anjara avokoa ireo hazakazaka telo efa-tontosa. Raha tsiahivina, nanokatra ny fihaonana ny an’ny klioba FMMSAM, nanana lanjan’isa 1.0, faharoa ny an’ny ASACM, 2.0 ary ny fahatelo ny TMF 1.0. Manaraka azy eo amin’ny laharana faharoa, Rasoamaromaka Faniry, mpanamorin’ny TMF, miaraka amin’ny Peugeot 208 T16. Nahazo isa 149, 00 ny tovolahy. Tsy nandray anjara izy tamin’ny andiany voalohany. Fahatelo, Rabetafika Daniel, mijapy ny Subaru, manana isa 130, 50. Fahefatra, Rakotomanga Freddy, nahazo isa 108, 50 ary eo amin’ny laharana fahadimy, Razafinjoelina Tahina, isa 103, 00.
Ho an’ny mpanampy mpanamory, mitarika Rakotomalala Andry Tahina, isa 170, 50 arahin-dRandriambololona Mahenintsoa, isa 149, 00 ary fahatelo Ismael David, 108, 50.

Tompondaka

Partager sur: