Can 2023 – Handball : hifanandrina amin’ i Tunisie ny Akio

Hotanterahina any Mo­nastir Tunisie manomboka rahampitso 7 – 14 septambra, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja handball, sokajy juniors vehivavy. Hihaona amin’i Madagasikara voalohany i Tunisie, mpampiantrano. Miisa 10 ireo firenena mandray anjara amin’ity andiany faha-30 ity. Ahitana an’i Madagasikara, i Tunisie, i Algérie, i Mali, i Angola, i Guinée, i Côte d’Ivoire, i RD Congo, i Kenya, i Egypte.
Marihina fa i Tunisie, inefatra amin’ity no hampiantrano ny “Can Juniors vehivavy”, ny taona 1988, 1992, 2000, 2023. Efa tonga teo amin’ny famaranana inenina (1992, 2000, 2004, 2009, 2015, 2019) izy ireo, raha toa ka indray voahosotra ho tompondaka, ny taona 2019. Araka izany, manana traikefa tanteraka ny ekipa voafantin’i Tunisie raha mitaha amin’ny ekipam-pirenena malagasy. Ny Akio, vehivavy Juniors, avy niatrika ny “IHF Trophy Con­tinental Afrika”, ny volana aogositra lasa teo.
Tsiahivina fa ny ekipan’i Angola no tompondaka farany tamin’ity fifaninanana afrikanina ity, natao tany Conakry Guinée, ny taona 2022. Ny mpilalaon’i Egypte no nifanandrina tamin’izy ireo teo amin’ny lalao famaranana.

Fitia

Partager sur: