Kitra – Fifanintsanana «Can 2024»: vonona handresy an’i Angola ny Barea anio

Hifantoka amin’ny lalao hikatrohan’ny Barea de Madagascar sy ny Palancas Negras an’i Angola ny sain’ny mpitia fanatanjahantena, indrindra fa ny baolina kitra, anio. Tapa-kevitra ny haka isa 3 ny Barea de Madagascar.

Hotanterahina anio, ao amin’ny Stade National de Lubango manomboka amin’ny 7 ora alina eto Madagasikara, ny lalao hifanandrinan’ny Palancas Negras-n’i Angola sy ny Barea de Madagascar. Fihaonana miverina, tafiditra amin’ny andro fahaenina hiadian-toerana amin’ny Can 2024, ho an’ny vondrona “E”.

Na tsy manana herijika hiatrehana izany dingana famaranana izany aza ny Barea, vonona handresy an-dry zareo angole, ary haka ny isa 3. Efa any an-toerana hatramin’ny alatsinainy lasa teo, ny delegasiona malagasy. Salama tsara avokoa ireo mpilalao ary ambony ny toe-tsaina hiatrehana ny lalao.

Tsiahivina, fa nisaraka ady sahala 1 no ho 1 ny roa tonta, nandritra ny lalao mandroso  natao teo Mahamasina, ny 5 jona 2022. Ity lalao ity, no hitondran’ny Me Rôrô voalohany ny Barea de Madagascar, eo amin’ny fifanintsanana ho an’ny Can. Fanamby iray goavana indray izany ny an’i Rôrô, amin’ity. Manana ny lanjany lehibe  rahateo, ny fifandonana amin-dry zareo Angole, satria hamaritana ny ho laharan’ny kitra malagasy eo anivon’ny federasiona iraisam-pirenena (FIFA). Raha latsaka ambany mantsy ny filaharan’ny Barea, miverina manao lalao savaranonando amin’ireo fihaonana fifanintsanana ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, manaraka.

Hiankina betsaka amin’ity andro farany ity rahateo, ny hahalalana ireo ekipa roa hiatrika ny “Can 2024”, ho an’ity vondrona misy ny Barea ity.

Tompondaka

Partager sur: