Tapitra tanteraka izay ny lalaon’ny Nosy 2023, miverina miatrika tontolo andro vaovao indray ny atleta malagasy. Milaza ny zavatra ataon’izy ireo i Florentine sy i Mbola Lalaina Jean Aimé.
Nifarana ny 3 septambra lasa teo ny lalaon’ny Nosy JIOI 2023, izay notanterahina teto amintsika. Manomboka miverina amin’ny fiainana andavanandro avokoa ireo atleta malagasy, izay avy niaro ny voninahi-pirenena. Anisan’ireo nanaovana fanadihadiana, Razanamandroso Florentine, vehivavy atleta nahavita nandrombaka medaly volamena iray tamin’ny “saut à longeur”.
Ankoatra ny maha atleta azy, manana ny asa andavanandro entiny miatrika ny fiainany i Florentine. Araka ny filazany, miasa eo anivon’ny governoran’ny faritra Matsiatra Ambony izy, ary mampianatra eny amin’ny Oniversite Fianarantsoa. Raha ny fanazavana nataony, amin’ny 5 ora sasany – 6 ora sasany izy manao fanazarantena ary mandeha miasa rehefa tonga ny amin’ny 8 ora. Ny atoandro, amin’ny 12 ora kosa izy no misy fialantsasatra ao ampiasanan’izy ireo. Misafidy ny ho eny an-kianja hanao fanazarantena indray, mandra-pahatonga ny amin’ny 2 ora, ora fidirana. Ny andro alahady ihany no mba ahafahany miala sasatra ao an-tranony.
Tsara ny mampahafantatra fa teraka ny 24 jona 1997, tany Morondava, i Florentine, ary efa nahavita fianarana “Master II”, taranja “Gestion”, teny amin’ny Oniversite Fianarantsoa, ny taona 2019-2020.
“Mila miaritra amin’ny zavatra atao, tsy mora kivy ary mila miezaka vao afaka ampian’ny olona. Aza mandany fotoana amin’ny zavatra tsy mahasoa anao, mametraha tanjona foana amin’ny fiainana. Marihiko fa afaka miaraka ny fanatanjahantena sy ny fianarana, saingy mila hainao tsara ny mandrindra ny fotoana. Mahatafita ny fanatanjahatena ary io no afaka hifampiseraseranao sy mety ahazoanao asa”, hoy Razanamandroso Florentine, raha nanentana ny tanora ankehitriny hiditra lalina kokoa amin’ny fanatanjahantena izy.
Maniry ny ho mpiasam-panjakana
Ankoatra izay, nilaza ny hetahetany manokana ihany koa Rakotoniaina Aimé Mbola Lalaina Joel, Malagasy mpikatroka tolona. “Manana faniriana ny ho lasa mpiasam-panjakana ny tenako. Mangataka ny minisitra mpiahy mba hijery manokana anay atleta noho ny ezaka vitanay ho an’ny firenena”, hoy izy.
Araka ny filazany, mampianatra ny taranja “Education Physique et Sportive” (EPS) ny tenany ary io no antom-pivelomany amin’izao fotoana izao. Marihina fa miasa andavanandro izy. Amin’ny maha atleta azy, rehefa misy fotoana tsy hampianarany dia manao fanazarantena intelo isan’andro ny tenany.
Milaza i Mbola fa milalao ao amin’ny klioban’ny 3FB Rugby izay mifaninana amin’ny “XXL Top 20” izy ary mifandray tanteraka ny taranja araka ny fanazavana nataony.
Tsiahivina fa teraka ny 28 oktobra 1996 i Mbola ary avy eto Antananarivo. Ny taona 2007 ity Malagasy mpitolona ity no niditra tao amin’ny klioba Cospn. Marihina fa ity mpikatroka ity dia nahazo medaly volafotsy tamin’ny “Francophonie 2023” sy ny lalaon’ny Nosy 2023. “Manentana ny tanora aho mba tsy hirona any amin’ny zava-mahadomelina ary mba hitia fanatanjahantena satria mahasoa ny vatana sy ny saina izany”, hoy i Mbola.
Mpivarotra i Soloniaina Malala
Araka ny fanadihadiana natao omaly, nilaza ny fomba fiainany andavanandro ihany koa i Soloniaina Malala, vehivavy malagasy mpikatroka tolona. Marihina fa nahazo medaly volamena iray sy volafotsy iray izy, nandritra ny lalaon’ny Nosy, izay natao teto amintsika, ny 25 aogositra – 3 septambra lasa teo.
Raha ny filazan’i Malala, efa manam-bady sy manan-janaka iray ny tenany ary fivarotana kojakojam-behivavy no antom-pivelomany amin’izao fotoana izao. Raha ny fanazavana nataony, manatitra mpianatra foana izy isaky ny maraina rehefa fotoam-pianarana ary mivarotra eny an-tsena aorian’izay. Isaky ny amin’ny 2 ora tolakandro, mankeny Ankatso foana i Malala manao fanazarantena.
“Anisan’ny tena nanatanteraka ny faniriako hatramin’izay ny fanatanjahantena. Anisan’izany ny fivoahana any ivelany, toy ny tany Nigeria sy RD Congo”, hoy i Soloniaina Malala.
Manana faniriana ny hanana asa mandray karama isam-bolana ny tenany ary mangataka amin’ny fitondram-panjakana mba hijery akaiky ny hoavin’izy ireo.
Tsara ny mampahafantatra fa ny 1 jona 2003 no teraka teto Antananarivo i Soloniaina Malala, ary ny taona 2017 no nanomboka nanao ny taranja tolona izy.
Nanantontosa: Fitia