Hanomboka anio hatramin’ny 28 oktobra ho avy izao, any Frantsa, ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja rugby, lehilahy. Hanokatra ny lalao amin’izany ny fihaonan’ny XV France, mpampiantrano sy ny All Blacks, Nouvelle Zélande. Fihaonana hotanterahina ao amin’ny Stade de France.
Marihina fa mbola manala vela amin’ ny XV France ny mpilalaon’ny Blacks, efa lavon’i Frantsa tamin’ny isa 40 no ho 25 i Nouvelle Zélande, ny taona 2021. Tsara ny mampahafantatra fa ny taona 2011, lavon’ny All Blacks tamin’ny isa 8 no ho 7 ny XV France, nandritra ny lalao famaranana natao tany Eden Park, Nouvelle Zélande.
Ho toy ny famaranana kely ity fifanandrinan’ny roa tonta ity. Araka ny fikarohana natao, fandresena efatra no azon’ny All Blacks tamin’ireo lalao dimy nihaonan’ny roa tonta farany raha toa ka nahita fahombiazana indray mandeha ihany ny XV France. Tsiahivina fa ny Springboks Afrika Atsimo no tompondaka farany tamin’ny taona 2019.
Fitia