Can 2023-Handball: lavon’ i Tunisie i Madagasikara

Ratsy fanombohana ny Akio de Madagascar, vehivavy juniors, tamin’ity Can 2023, taranja handball atao any Monastir Tunisie, ny 7-14 septambra, ity. Nomontsanin’i Tunisie mpampiantrano tamin’ny isa mavesatra 44 no ho 11 i Madagasikara, omaly. Raha hiverenana ny fihaonan’ny roa tonta, nanjakan’ny tonizianina tanteraka ny lalao. Teo amin’ny fidirana voalohany, nanomboka nampiseho ny heriny ny mpampiantrano. Nitarika tamin’ny isa 24 no ho 3, izy ireo, mialohan’ny nidirana tany amin’ny fialan-tsasatra.

Teo amin’ny fidirana faharoa, hita fa reraka ny Malagasy mpilalao ka niafara tamin’ny isa 44 no ho 11 ny lalao, resy ny Akio, vehivavy. Araka izany, mbola manana herijika amin’ity fifaninanana ity ny Akio, ny ekipam-pirenen’i Mali indray no hifanandrina amintsika anio, amin’ny 6 ora hariva, ora aty Madagasikara. Ny Malianina izay novizanin’ny Egypsianina, 15 no ho 64.

Marihina fa amin’ity andiany faha-30 ity, miisa 10 ireo firenena mandray anjara. Ahitana an’i Madagasikara, i Tunisie, i Algérie, i Mali, i Angola, i Guinée, i Côte d’Ivoire, i RD Congo, i Kenya, i Egypte.  Ny ekipan’i Angola no tompondaka farany tamin’ity fifaninanana ity, ny taona 2022 lasa teo.

Fitia

Partager sur: