“Can 2023 Handball”: lavon’ i Mali i Madagasikara

Miampy indray ny faharesena ho an’ny Akio Madagascar, omaly. Resin’i Mali tamin’ny isa 32 no ho 25 isika. Hifanandrina amin’i Egypte isika, anio.

Notanterahina, omaly, tany Tunisie, ny andro faharoa, fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika Can 2023, taranja handball, sokajy vehivavy “Juniors”. Lavon’i Mali tamin’ny isa 32 no ho 25 i Madagasikara. Raha hiverenana ny fihaonan’ny roa tonta, nifandanja tanteraka tamin’ireo Malagasy mpilalao ny Malianina saingy tsy ampy ny fahaizana mampiditra baolina ho an’ny Akio. Teo amin’ny fidirana voalohany, nitarika tamin’ny isa 17 no ho 11, izy ireo ary io isa io ihany no nentin’ny roa tonta niala sasatra. Teo amin’ny fidirana faharoa, hita fa nitaky tamin’ny Malagasy ny harerahana sy ny tsy fitovizan’ny vatana ka niafara tamin’ny isa 32 no ho 25 ny lalao, nandresy ny mpilalaon’i Mali.

Araka izany, faharesena roa izay no azon’ny Akio Juniors, tamin’ity Can 2023 ity. Ny alakamisy lasa teo isika, nomontsanin’i Tunisie, mpampiatrano, tamin’ny isa mavesatra 44 no ho 11. Ny ekipan’i Egypta, indray no hifanandrina amintsika anio, amin’ny 4 ora hariva ora aty Madagasikara.

Tsiahivina fa  miisa 10 ireo firenena nandray anjara tamin’ity andiany faha-30 ity. Ahitana an’i Madagasikara, i Tunisie, i Algérie, i Mali, i Angola, i Guinée, i Côte d’Ivoire, i RD Congo, i Kenya, i Egypte.  Tsara ihany ny mampahafantatra fa ny ekipan’i Angola no tompondaka farany tamin’ity fifaninanana ity, ny taona 2022 lasa teo.

Fitia

Partager sur: