“Mini Basket”: miisa 63 ireo mpanazatra hofanina

Notanterahina, nanomboka omaly sy anio, teny Mahamasina, ny fampiofanana ireo mpanazatra ny ankizy latsaky ny 12 taona na U-12, tafiditra anatin’ny « Forum National Mini Basket ». Miisa 63 mianadahy izy ireo no misitraka izany fiofanana izany. Raha ny fanazavana nataon’ny tomponandraikitra, Soloharinivo Onja, lehiben’ny kaomisionina « Mini basket » eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny basikety (Fmbb), dia avy any amin’ny faritra 11 ireo teknisianina ireo. Anisan’izany ny faritra Analamanga, Alaotra Mangoro, Vakinankaratra, Atsinanana, Menabe, Amoron’i Mania, Boeny, Fianarantsoa, Sofia, Atsimo Andrefana, Itasy.

Marihina fa natao hanatsarana ny tontolon’ny basikety eny ifotony ity hetsika ity. Raha ny fanazavana voaray tamin’ireo mpikarakara, ny maraina no hanaovana ny fampianarana ary ny hariva no fampiharana izany eny an-kianja.

Tsiahivina fa ity no andiany voalohany amin’ity hetsika ity, ary nilaza ny mpikarakara fa hisy ny andiany faharoa.

Fitia

Partager sur: