Kitra – «Ballon d’Or 2023»: tsy tafiditra ao anaty lisitra i Neymar sy i CR7

Namoaka ny anaran’ireo mpilalao baolina kitra, hanaovana ny safidy izay handrombaka ny “ballon d’or 2023”, tao amin’ny tambajotran-tseraserany ny alakamisy lasa teo, ny France foot-ball, mpikarakara izany. 30 ireo mpilalao voafidy ka sambany tao anatin’ny 20 nisian’ity fifaninanana ity, no tsy tafiditra tao anaty lisitra ilay portioge, i Cristiano Ronaldo (CR7).

Mety ny vokatra teo ho eo nandritra ny nilalaovany tany Eoropa farany teo, sy ny tsy nahazoany ny “Mondial 2022” ny antony, nahatonga izany. Tsy ao anatin’ireo mpifaninana koa ilay brezilianina, i Neymar Jr.

Marihina fa efa niova ny fomba fifantenana ho an’ity “Ballon d’or” ity. Tsy ny taona iray fotsiny no hitsarana ireo mpilalao fa ny taom-pilalaovana 2022-2023 ary tafiditra ao anatin’izany, ny “Mondial” farany teo. Raha ny fandinihan’ireo mpanara-baovao, mbola tsara toerana handrombaka izany indray i Messi, na efa nifindra lasy any Inter Miami, Etazonia aza. Anisan’ny hifampitana aminy, ilay frantsay i Karim Benzema, nahazo izany farany. Eo koa i Kyllian Mbappé sy ilay norvezianina, i Erling Haaland.

Tsiahivina fa ny 30 oktobra ho avy izao, ao amin’ny Theâtre ao Châtelet, Paris, Frantsa no hanambarana izay ho mpandresy.

Tompondaka

Partager sur: