Tsy mbola nahita mangirana mihitsy ny Akio de Madagascar, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2023), taranja handball, sokajy “junior”, vehivavy. Fihaonana, tanterahina any Monastir Tunisie, nanomboka ny 7 septambra lasa teo. Resy hatrany ny tovovavy malagasy, tamin’ireo lalao telo natrehiny, tao amin’ny vondrona “B” nisy azy. Ny sabotsy teo, niondrika teo anatrehan’i Egypta, tamin’ny isa mazava 54 no ho 10. Tsy nitovy ny lenta sy ny fahaizana teny ambony kianja. Efa ambony ry zareo egyptianina na tanjaka na teknikan’ny mpilalao na ny taktika teny ambony kianja. Lojika ny voka-dalao. Mbola mitana ny laharana farany aloha ny Akio de Madagascar. Mbola manana ambin-dalao iray ny Malagasy, amin’ity alatsinainy ity. Fihaonana, hikatrohana amin’i Algerie. Tsiahivina fa efa resin’i Tunisie, 44 no ho 11, teo amin’ny lalao voalohany, avy eo lavon’i Mali, 32 no ho 25 ho an’ny andro faharoa.
Hisolo tena an’i Afrika amin’ny “Mondial” ireo ekipa efatra voalohany, amin’ity.
Tompondaka