Rugby – JOI 2024: ho any Zimbabwe ny Makis à 7

Taorian’ny lalaon’ny Nosy 2023, izay natao teto amintsika, ny 25 aogositra – 3 septambra lasa teo, hiatrika ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila hiatrehana ny lalao olympika Paris 2024, amin’ny taranja Rugby lalaovin’olona fito, ny Makis. Araka ny fanazavana nomen-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby, omaly, teny Ivandry, ny 13 septambra ho avy izao no hiainga eto an-tanindrazana ny Makis lehilahy, ho any Zimbabwe.
Marihina fa ny fifaninanan’ny lehilahy, hatao ny 16-17 septambra ho avy izao. Izay voalohany amin’ity fifanintsanana ity, mahazo tapakila avy hatrany hiatrika ny JOI 2024 raha toa ka mbola ady toerana farany ny an’ireo laharana faharoa sy fahatelo. Araka ny fikarohana natao, miisa 12 ireo firenena mandray anjara amin’izany, anisan’izany i Côte d’Ivoire, Tunisie, Algerie, Kenya, Zimbabwe.
Raha ny filazan’ity filohan’ny Malagasy Rugby ity, iray volana aorian’ity fifanintsanana ity ny vehivavy Makis, hiatrika izany ihany koa, any Tunisie. Araka izany, miantso ireo minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny tanora ny Malagasy Rugby hanohana ny ekipam-pirenena malagasy. Tsiahivina fa ny Makis, vehivavy, niatrika ny lalao maneran-tany tany Afrique du Sud, ny taona 2022 lasa teo.
Tamin’ny lalaon’ny Nosy 2023, nahazo ny medaly volamena avokoa ny Makis lahy sy vavy, ary ireo ekipa izay nifanandrina tamin’ny vehivavy malagasy, tsy nisy nitoko avokoa. “Azo antoka ny hiakaran’ny Makis, Vehivavy, any amin’ny Lalao Olympika 2024, raha ny vokatra tamin’ny lalaon’ny Nosy no jerena”, hoy Rakotomalala Marcel, lehiben’ny Malagasy Rugby.

Fitia

Partager sur: