Rugby – Lalao fihantsiana: resin’i La Réunion ny Makis de Madagascar

Ho fanamarihana ny fanombohan’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja rugby, tanterahina any Frantsa, nisy ny lalao fihantsiana nokarakarain’ny Comité rugby réunion. Fihaonana, na­tao tao amin’ny Stade Julius Bénard, tao St Paul La Ré­union, ny zoma lasa teo. Nifandona ny XV Makis sy ny ekipa voafantin’i La Réunion. Afa-bela ry zareo renione satria resiny tamin’ny isa tery, 25 no ho 22 ny Malagasy, tamin’ity. Fihaonana, niady ary nampitsanga-mitoetra hatramin’ny segondra farany. Nanohitra ny renione tamin’ity ary niomana fatratra. Sahala, 22 no ho 22 ny isa hatreo amin’ny 79 mn nilalaovana. Nanao fahadisoana ny mpilalaon’ny Makis, 20 m miala ny tsatobin’ny Malagasy. Tsy nisalasala nitsoaka ny kiririoka i Thierry Sautron, mpitsara, nanome “hors-jeu”. Voatsara izany rehefa notsarain’i Ale­xandre Alain, ka nibatan-dry zareo renione, ny fandresena. Nitarika tamin’ny isa, 17 no ho 10 nefa ny Makis, teo am-pialantsasatra.

Tompondaka

Partager sur: