Hotanterahina anio, any Monastir Tunisie, ny andro farany amin’ny fifanintsanana isam-bondron’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja Handball, sokajy juniors, vehivavy.
Anisan’ireo lalao andrasan’ny Malagasy rehetra, ny fihaonan’ny Akio de Madagasikara amin’i Algerie.
Marihina fa andro fahadimin’ny vondrona “B” ity fihaonan’ny roa tonta ity.
Ny ekipam-pirenena malagasy Akio, farany ao amin’ity vondrona ity raha toa ka fahatelo i Algérie. Tamin’ireo lalao efatra natao farany, tsy nahita fandresena mihitsy i Madagasikara saingy efa nahazo fahombiazana tokana kosa i Algérie.
Araka ny vaovao voaray, ireo firenena efatra manao manasa-dalana no mandray anjara avy hatrany amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany “Mondial”. Hotontosaina any Macédonie, ny 19-30 jona ho avy izao.
Tsara ny mampahatsiahy fa ny Akio, lavon’i Egypta, tamin’ny isa mavesatra 54 no ho 10 izy ireo, ny sabotsy 9 septambra lasa teo. Aorian’ity lalao ity, hisy fihaonana hiadiana laharana amin’ny fifaninanana.
Fitia