Tsy naharitra taona iray dia mody Razafindranaivo Koloina na Rakool. Nofaranan’ny klioba alzerianina, Mouloudia Club Alger, ny fifanarahana taminy.
Enim-bolana teo izay no nifindran-dRazafindranaivo Koloina na Rakool, Malagasy mpilalao baolina kitra, tao amin’ny klioba Mouloudia Club Alger (MCA), klioba alzerianina diviziona voalohany. Araka ny fikarohana natao omaly, notapahina tanteraka ny fifanarahana teo amin’ity mpilalao ity sy ny klioba Mouloudia, ny 6 septambra lasa teo, raha ny nambaran’ny gazety algerianina iray.
Raha ny hita tao anaty tambajotran-tseraseran’ny klioba MCA, tsy anatin’ny lisitr’ireo mpilalao entin’i Patrice Beaumelle amin’ity taom-pilalaovana 2023-2024 ity izy. Marihina fa efa nahazo tambin-karama “indemnités”, araka izay azon’ity klioba ity natao, Rakool. Tsara marihina fa tokony amin’ny taona 2026 vao tapitra ny fifanarahana teo amin’ny roa tonta saingy izao nofaranan’ny klioba izao.
Baolina tokana sy tolotra iray no vitan-dRakool nandritra izay fotoana nilalaovany tao amin’ny Mouloudia Club Alger izay.
Araka ny loharanom-baovao iray hafa, efa miezaka mitady klioba any Frantsa, handray an-dRakool ny mpitantana ao amin’ny MCA amin’ izao fotoana izao. Tsiahivina fa ny “Chan Algérie 2022” no tena nampisongadina an’ity Malagasy kintan’ny baolina kitra ity ary novidian’ny Mouloudia, 50 000 Euros izy, ny 30 janoary 2023 lasa teo. Tsara ny mampahafantatra fa ny 18 jona lasa teo, anisan’ireo mpilalao nantsoina nandrafitra ny Barea de Madagascar izay nifanandrina tamin’i Ghana.
Ankoatra izay, tsy toa an-dry Ibrahim Amada sy Carolus Andrea, Malagasy mpilalao ny nanjo an-dRakool. Izy mirahalahy ireo, nahavita taom-pilalaovana tsara ary nahazo fifanarahana vaovao tamin’izy ireo nilalao tany Algérie. I Amada, nilalao tao amin’ny ES Sétif (D1) ary i Carolus tao amin’ny USM Alger (D1).
Fitia