Filohan’ny FMF : telo ny kandidà hifaninana

Araka ny fantatra, omaly, teny Isoraka, miisa telo ireo kandidà efa nandefa ny taratasy filatsahan-kofidiny ho filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Anisan’izany, ny kandidà fahatelo, Randriamanampisoa Alfred, filoha lefitry ny FMF.
“Hiezaka ny hanohy ny tsara vitan’ny teo aloha isika ary hanao tetikasa vaovao entina hampandrosoana ny baolina kitra malagasy”, hoy ity filoha lefitry ny FMF ity.
Marihina fa tonga nanotrona azy teny amin’ny biraon’ny Federasiona, ireo kandidà sasantsasany nirotsaka ho amin’ny komity mpanatanteraka sy ireo filohan’ny ligy 16.
Ankoatra ny kandidà Alfred, anisan’ireo hifaninana aminy, Rakotomalala Stanislas, sekretera jeneralin’ny CFEM sy Andrianony Victorien, filohan’ny FMF amin’izao fotoana izao. Araka ny vaovao voaray, anio amin’ny 6 ora hariva no hifarana ity fandraisana antontan-taratasy filatsahan-kofidina ho filohan’ny FMF ity. Marihina fa hotanterahina ny 14 oktobra ho avy izao ny fifidianana izay ho mpikambana mpanatanteraka sy izay ho filohan’ny FMF.

Fitia

Partager sur: