Lehilahy iray nahatrarana vola sandoka nitetina 4 alina Ariary tao amin’ny tanànan’Ambodiriana, fokontany Tanambao 102, kaominina Anivorano Atsinanana, distrikan’i Brickaville, afakomaly. Fotoan’ny Tsaboraha ao an-toerana tamin’io fotoana io ka nanararoatra nanamparitaka ny vola sandoka ireo olon-dratsy. «Mody mividy zavatra manodidina ny 8 000 Ar amin’ny vola sandoka 20 000 Ar izy», hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny zana-tobi-paritra ao Anivorano. Tsy nahalala na inona na inona ny mpivarotra ka nandray ny vola. Avy tampoka anefa ny herika. «Nilatsahan’ny rano ny vola tao amin’ny tsenakely hazo an’ilay mpivarotra ka nihofo», hoy hatrany ny zandary ao an-toerana. Niantso mpitandro filaminana avy hatrany ny lasibatry ny fisandohana. Namarinina ny vola kinanjo tena sandoka tokoa. Nokarohina avy hatrany ilay lehilahy nitondra ny vola ary voasambotra. Nitotaly 40 000 Ar ny vola sandoka teny aminy. Tsiahivina, lehilahy iray hafa tao amin’io distrika io naiditra am-ponja ny 8 septambra teo noho ny fanampariahana vola sandoka.
Tsiferana R .