Faran’ny herinandro: nandriaka ny ra, mpitondra moto iray maty

Tohivakana ny lozam-pifamoivoizana ny faran’ny herinandro teo. Lohalaharana tamin’izany ireo mpitondra moto. Namoizana ain’olona izany teny amin’ny Digue Andohatapenaka, ny sabotsy hariva teo…
Tsy afa-bela hatrany fa sesilany ny lozam-pifamoivoizana ateraky ny moto (kodiaran-droa) ny faran’ny herinandro teo. Raim-pianakaviana iray nitondra moto marika Racing King no maty tsy tra-drano rehefa avy nifatratra tamina fiarakely iray, teny amin’ny Digue Andohatape­naka, manoloana ny gare routière. Raha ny tatitra voaray avy amin’ny polisy misahana ny lozam-pifamoivoizana, vokatry ny fandehanana mafy no nahatonga ny loza ka tsy voafehin’ny mpamily intsony izany ary namantana tany amin’ilay fiarakely. Vokany, potipotika tanteraka ilay moto raha nipitika niainga avy eo ambony moto ny mpamily. Nivadibadika ilay moto ka ny lohan’ilay mpitondra azy no nifantratra tamin’ny arabe. Potika ihany koa ny lohan’ilay fiarakely nifandona taminy. Naratra koa ireo olona tao anaty fiara saingy avotra soa aman-tsara ihany rehefa nentina teny amin’ny hopitaly.

Mamo teo ambony familiana
Efa nisy ihany ny fanen­tanana nataon’ny zandary amin’ny fisian’ireo mpandeha moto mifampitsapa tanjaka mihazo iny lalam-pirenena (RN1). Mpitondra moto iray koa tra-doza tampoka teo Alakamisy Fenoarivo, omaly tolakandro. Mamo teo ambony familiana izy ka tsy nahafehy ny moto nentiny, nidona tamin’ny fiara ihany koa. Naratra mafy ilay niharam-boina ka nentina hopitaly. Toy izany koa teny By-Pass, omaly hariva, mpandeha iray koa naratra mafy rehefa nazeran’ny moto ka nifatratra tamin’ny fiara teo alohany. Nandeha mafy ihany koa ity mpitondra moto ity ka nivadibadika teo amin’ny arabe.

J.C

Partager sur: