Zandary iray niampy mpamily fiara nitatitra hazo an-tsokosoko naiditra am-ponja vonjimaika tao Moramanga, ny talata 12 septambra hariva teo. Voasakan’ny sampan-draharaha manokana misahana ny fiarovana ny ala tao Marovoay ny mpamily roa lahy niampy io mpitandro filaminana io ka natao famotorana tamin’io andro io ihany.
Efatra mirahalahy mpamaky trano voasambotry ny zandary tao Antsampandrano, kaominina Manandriana, ny faran’ny herinandro teo. Nampiahiahy ny manodidina ny fihetsik’izy efatra ireo ka nosavain’ny zandary ny gony nentiny. Tratra tao anatin’izany ny entana halatra fampiasa ao an-tokantrano.
Navoaka tamin’ny fomba ofisialy ireo polisy 50 miandahy nahavita fiofanana nandritra ny roa taona tetsy Ivato, ny zoma 15 septambra teo. Nisitraka ny galona kaomisera ny 20 raha toa ka “Officier de Police” ny 30. Vehivavy avokoa ny 10 tamin’ireo 50 andiany “Vina” ireo.
Maherin’ny arivo ireo tsy manan-kialofana vokatry ny haintrano mahatsiravina tao amin’ny kaominina Ambinanidilana, distrikan’i Mahanoro, ny alakamisy 14 septambra teo. Vita avy amin’ny hazo avokoa ny trano ka nampihanaka haingana ny afo. Tsy nisy noraisina ny entana rehetra tao amin’ireo trano 250 may.